Taratra

Fetim-pirenena Frantsay : Manamafy ny fifamatorana i Madagasikara sy i Frantsa

Nirodorodo niara-nifety teny Ivandry ny governemanta malagasy sy ny frantsay ary ireo masoivoho vahiny maro eto Madagasikara, omaly. Nasehon’ny mpitondra fa mbola loha laharana amin’ny mpiara-miasa i Frantsa. Notanterahina teny amin’ ny trano fonenan’ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto amintsika ny fankalazana ny 14 jolay, omaly. Tonga marobe teny […]

Nilaza mahafaka BEPC : Vehivavy iray nalefa any Antanimora

Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ilay vehivavy 31 taona, nisandoka sy nilaza ho mahafaka fanadinana BEPC tetsy amin’ny CEG Anosibe. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Anta­ni­mora ny tenany, taorian’izay. Naharenesana fitarainana mahakasika ny filazana sy fisandohana fa mahafaka fanadinana BEPC ny tenany. Tonga teny anivon’ny biraon’ ny Kaomisaria boriborintany fahefatra etsy Mahamasina, […]

Ambatolampy Tsimahafotsy : Mpivarotra voaroba 2 000 000 Ar

Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina. Noratran’ireo jiolahy, nandritra izany, ny renim-pianakaviana. Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ariary. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 15 jolay. Mpivarotra iray lasibatry ny jiolahy. Naratra mafy […]