Taratra

Chan 2025: nakarin’ny Caf ny volan’ny mpandresy

Miavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina ho an’ny ekipam-pirenena “Chan 2025”, amin’ity. Nam­pitomboin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf) hatrany amin’ny 75% ny lelavola ho azon’ny ekipa tompon­daka, ka hitontaly 10, 4 tapitrisa dolara ny “prize money”, ho an’ity andiany ity. Hahazo 3, 5 tapitrisa dolara ny ekipa […]

Volley-ball: hampiantrano ny CC Z.7 i Maurice

Hampiantrano ny andiany faha-29 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny faritra faha-7 (CC Z.7) taranja volley-ball, lahy sy vavy, i Maurice. Fifaninanana ho an’ny ekipa tompondaka lahy sy vavy, sokajy «sénior». Hotante­ra­hina ny 22 febroary ka hatramin’ny 1 marsa ho avy izao izany fifaninanana izany. Raha tsiahivina, […]

Fitaizam-batana: tia mamonjy «salle de sport» ny olon-dehibe

Anisan’ny mahasalama ny vatana ny fanaovana fanatanjahantena. Tsy mifidy taona ny fampiasam-batana fa natao ho an’ny olon-drehetra. Tsy mifidy toerana ny fikotranana saingy amin’izao fotoanan’ny hafanana izao, betsaka ny olona mamonjy « salle de sport ». Malaina mikotrana eny ankalamanjana ny olona amin’izao andro mafana izao. Vitsy ireo tazana mitaiza […]

Andapa: lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna

Naterin’ny fokonolona teo anatrehan’ny mpitandro filami­nana ny lehilahy iray nihazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, ny 6 janoary teo. Anisan’ireo tao amin’ny trano fandihizana iray tao an-toerana io lehilahy io. Hataraina ny an’ireo mponina manodidina nahita io fitaovam-piadiana io teny amin’ity farany. Nampandre ny […]