Taratra

Hetsika iarahana amin’ny BNI : nizara traikefa i Andry Rajoelina

Nikarakara hetsika lehibe ny eo anivon’ny Banky BNI omaly, tetsy Ambodivona. Nanasan’izy ireo ny tanora mendrika indrindra teo amin’ny fandraharahana tao ana­tin’ny taona maro izany. Ani­san’ny voaasa tamin’izao fi­haonana izao ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fihaonan’ireo tanora rehetra mendrika sy nahomby teo […]

MDN : nandray manam­boninahitra frantsay

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe, ny filohan’ny fikambanana SMLH na « Société des membres de la légion d’honneur », ny Amiraly Alain Coldefy. Nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika frantsay izy nandritra ny fotoam-piasany. Nandrafitra ny delegasiona notarihiny ny tomponandraikitry ny fiarovana eo […]

Fikaroham-bahaolana notarihin’ny FFKM: tsy anisan’ireo nandray anjara ny kandidà n°3

Notanterahina, omaly, tetsy Ampandrana ny fampihaonan’ny FFKM ireo kandidà miisa 13. Nitondra fanazavana momba ny tsy fandraisana anjara, ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Nambaran’ny solonte­nan’ny kandidà Rajoe­lina Andry, tamin’ny ala­lan’Andriamananoro Au­gus­tin, fa efa tao anaty laminasa amin’izao dinika fikaroham-bahaolana izao ny fahafahana mandefa solontena amin’ny fampihaonan’ny FFKM. Niditra minitra […]

Tsipy kanetibe : hotolorana 2 tapitrisa Ar ny tompondaka

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, teto Madaga­sikara, tsy miandry ela fa mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM). Hiditra amin’ny fanatontosana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara indray izy ireo, amin’ity. Fihao­nana hatao mandritra ny hateloana, ny 29 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra ho avy izao, eny amin’ny kianja PAC […]

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ireo resa-be mahakasika an’ ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rakool. Nilaza Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny “Orang­e Pro League” sy ny klioba CFFA fa tsy any Ambohimirary ny tenany fa any France amin’izao fotoana izao. Miandry ny anaran’ilay klioba fotsiny isika hoy ihany i Tôta. Ratovoarilandy Marlyn, Malagasy mpilalao […]