Tonga nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe, ny filohan’ny fikambanana SMLH na « Société des membres de la légion d’honneur », ny Amiraly Alain Coldefy. Nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika frantsay izy nandritra ny fotoam-piasany.
Nandrafitra ny delegasiona notarihiny ny tomponandraikitry ny fiarovana eo anivon’ny Masoivoho frantsay, ny Kolonely Sébastien Dupety, sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady efa kaomandin’ny Akademia miaramila Antsirabe teo aloha, ny Jly Ranjeva Marcel. Efa nitana andraikitra maha filoha mpitarika io vondrona SMLH io eto Madagasikara ankehitriny ity manamboninahitra jeneraly ity. Ny SMLH dia fiombanan’ireo olona manana ny mari-boninahitra frantsay ambony indrindra antsoina hoe « Légion d’honneur ».
Mitandro ny fifamatorana eo amin’ireo mpikambana sy ireo firenena niaviany avy ity vondrona ity. Voninahitra lehibe ho an’ny MDN, araka izany, ny fandalovan’ireto delegasiona ireto teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Mbola hitohy any amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny dian’izy ireo.
Jean Claude




