Nifarana omaly 22 septambra ny fiofanana “Fiba Regional Youth Camp”, taranja basikety, notontosaina tany Bamako Mali. Taorian’ny lalao natao, tafiditra ao anatin’ny All Star 5, ny mpilalao malagasy, Rasetriarivony A’Ranty. Izany hoe, mpilalao 5 mendrika indrindra izy, izay nahazo ny fandresena tao anatin’ny “Team Grey”, niaraka tamin’ireo mpilalao afrikanina 4, […]
Taratra
Kitra –“D2 National” : hiady tanteraka ny lalao rahampitso
Araka ny vokatra teo amin’ny andro fahefatra izay natao omaly, mbola sarotra fantarina ireo ekipa tafita hiakatra amin’ny dingana manaraka. . Notontosaina tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 22 septambra ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Hatramin’ izao, mbola ady sarotra ny hamaritana ireo ekipa roa isam-bondrona tafita […]
Fiatrehana ny maitsoahitra : azo antoka ny famatsiam-bary
Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 336 933 833 Ar ny famatsiam-bola ataon’ny tetikasa « fihariana » amin’ny fampiroboroboana hanohanana ny tetikasa mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fampiofanana arakasa hatramin’ny taona 2019. Misy ny miompana amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana fototra, ny fampianarana manokana ho an’ireo ankizy sy tanora manana fahasembanana, ny fampiofanana samihafa toy ny fambolena sy […]
Tetikasa Aintsoa : tokantrano 800 hivoatra ara-pambolena
Anisan’ny paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Antananarivo ny fambolena an- drenivohitra. Mandray anjara amin’izany ny ataon’ny ONG Gret ao anatin’ny tetikasa « Aintsoa », vatsian’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana, AFD, ara-bola. Natolotra omaly zoma 22 septambra ny fitaovana sy kojakoja ara-pambolena maro ho an’ny mpamokatra eto an-tanàn-dehibe, toy ny moto, […]