Vina iraisana sy tanjona iombonana ny fanabeazana ny ankizy malagasy, miatomboka amin’ny fahakeliny. Manana anjara sy anisan’ny mandavorary izany ny fikirakirana ny haikanto. Hanatrarana izany no nanaovana izao tetikasa izao. Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambatomena, ny fanaovana sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny fari-piadidiam-pampianarana […]
Taratra
Vato karangana : ahavitana fitaovana fanaingoana trano
Asa iray mahavelona olona maro ny asa fanaovana vato, efa miroborobo fatratra eto an-toerana ny fanaovana izany. Ahitana izany ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ho an’ny faritra Analamanga manokana, ahitana izany ny etsy Ambohimangakely, Ivato, Isotry, Ambatomirahavavy, Ambohimalaza, Itaosy… Efa nisy nijanona tamin’ny asa ny sasany tamin’ izy ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Hihodina tsy ho ela ilay milina mpamokatra menaka ao Ankadinondry Sakay. Hitoto voanjo 400 kg isan’ora ny milina, ahazoana menaka 160 l. Ampy hamatsiana ny milina ny voanjo avy amin’ny kaoperativan’ny tantsaha. Hiteraka asa fivelomana mivantana ny tetikasa ka tantsaha miisa 1800 hahazo tombontsoa amin’izany. Nohamafisina ny traikefan’ireo tomponandraikitra manara-maso […]
Foaran’ny fambolena : mpanohana ny FIA andiany faha-5 ny MVola
Hanomboka anio 21 hatramin’ny 24 septambra ny foara iraisam-pirenena mikasika ny tontolon’ny fambolena. Fotoana hihaonana mivantana amin’ireo seha-pihariana voakasika, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Roa taona misesy izao no hanohanan’ny MVola ny tetikasan’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra samihafa. Mandroso vahaolana ara-bola mifanandrify amin’ny filana manokan’ny tsirairay amin’izy ireo. Anisan’ny […]
Miara-mirona
Aiza isika no tsy hilamina eo !? Izao tokoa ilay isavorovoroan-kilantoana. Manao rano lava amin’izay ny fanambarana fanohanana ny kandidà izatsy na izaroa. Nangina vetivety ny ady saritaka teo amin’ny kandidà hoe hanao sy tsy hanao. Milamindamina ny raharaha politika, omaly. Efa nivadi-dela ny ankamaroan’ny komity mpanohana. Zary nifaninanana indray aza […]