Fandaharanasa manampy ny tanora ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eny ambanivohitra nandritra ny 10 taona ny Formaprod. Betsaka ny tombontsoa azo, manana asa mendrika sy fidiram-bola maharitra ny ankamaroan’ireo nisitraka fiofanana. Mandray anjara betsaka amin’ny fampiofanana ara-pamokarana ny tanora ho lasa mpamokatra matihanina eo amin’ny tontolo ambanivohitra […]
Taratra
TSELATRA
Kila tanteraka tsy nisy noraisina ny fiara taxi nirehitra teo amin’ny toeram-piantsonana akaikin’ny fiangonana Katolika Ambanidia, omaly. Voalaza fa olana tao amin’ny moteran’ny fiara no nitarika ny firehetana. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto iray nifandona tamina fiara […]
Very ny vola an-tapitrisany ; « Quincaillerie » notafihan’ny jiolahy teny Ilafy
Nitrangana fanafihan-jiolahy tsy nisaron-tava, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray teny Ilafy, omaly atoandro. Voaambana basy ny mpiasa ka lasa ny volabe tao anaty fitoeram-bola. Toeram-pivarotana kojakojana fanamboarana trano ity notafihan’ny jiolahy telo nitondra basy roa sy antsilava iray ity. Araka ny fitantaran’ny tovolahy iray mpiasa ao amin’ity toeram-pivarotana ity, tonga […]
Manakara: lamasinina nivadika, olona telo naratra
Nitrangana loza an-dalamby indray tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambahatrazo, distrikan’i Manakara, omaly maraina. Fiarandalamby zotra FCE (Fianarantsoa Côte Est) ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa ilay lamasinina no niala ny lalamby nandehanany nony tonga teo amin’ity tanàna ity. Olona telo nandeha tamin’ity fiarandalamby ity no naratra. […]
Lehilahy 30 taona novonoina : feno dian’antsy ny tenda sy ny lamosiny
Lehilahy iray 30 taona eo ho eo hita faty teo amboditranon’olona tamin’ny alahady maraina teo. Nahitana tsatok’antsy maromaro ny tenda sy ny lamosiny. Feno dian-tsatok’antsy teo amin’ny tendany sy ny lamosiny no hitan’ny polisy sy ny BMH tamina tovolahy iray 30 taona eo ho eo tao Antanimena, Secteur 8 Tanambao […]