Taratra

Fandrakofana vaovao mandritra ny fifidianana : mpanao gazety 35 manerana ny Nosy miofana eto Antananarivo

Miatrika fiofanana etsy Ankerana, Antananarivo, ireo mpanao gazety 35 (avy amin’ny sehatra samihafa) mane­rana ny faritra maro eto Madagasikara. Maharitra efatr’andro, nanomboka omaly ary hifarana ny zoma izao, izany. Miompana amin’ny fahafahana mandrakotra vaovao ara-drariny sy manaraka ny etika mandritra ny zotram-pifidianana ny fiofanana. Tanjona ny hahafehezan’ny mpanao gazety ny […]

Depiote Velontsara Paul Bert : naneho hevitra momba ny fitakian’ny Rohy

Taorian’ny fanairana nataon’ny firaisamonim-pirenena Rohy, teny Ambatona­kanga, ny alatsinainy lasa teo. Nilaza ny heviny, Ve­lontsara Paul Bert, solombavambahoaka voafidy tao Port-bergé, omaly. Namba­ran’ity solombavambahoaka IRD ity fa efa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanore­nana. Rehefa tsy vonona ny handray ny toerana maha filohan’ny Repoblika mpisolo-toerana azy ny filohan’ny Anteni­mierandoholona, afaka mandray ny […]

CUA – Boriborintany IV : olona 250 nisitraka tolotra ara-pahasalamana

Nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka maimaimpoana ireo mponina avy eny amin’ny Boriborintany fahefatra, omaly. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Notanterahina nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny zoma 22 septambra 2023, eny amin’ny Boriborintany fahefatra, fokontany Mandrangobato, ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tafiditra […]

Vaovao tambatra

Samy miandry ny fandehanan’ilay fitaterana an-dalamby (train urbain) ny ankamaroan’ny Malagasy. Mbola misy ny fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony miaraka aminy mbola tsy vita hatramin’izao, antony mampiato ny fandehanan’ity fitaterana ity. Tokony ho noraisina ta­min’ny fomba ofisialy ny volana aogositra teo ny tetikasa saingy nahemotra izany. Manohana ny mpandraharaha amin’ny alalan’ny […]

“First Global Challenge”: Tanora malagasy miisa 5 ho any Singapour

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Raza­fin­dramalo Tahina, omaly, ny ekipa malagasy tanora handray anjara amin’ny fifaninanana “First Global Challenge”, ny 7 hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Fifaninanana iraisam-pirenena, andiany fahafito, miompana amin’ny fikarohana siantifika sy ny teknolojia niomerika. […]