Raha manao, hono, no tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; raha miraviravy tanana, avelao hivarina amin’ny tany. Eo koa ny hoe Zanahary tsy mitahy mandry. Tsy toe-tsaina malagasy ny miandry ampiana: manao ariary zato am-pandriana. Na manantena harin-drahalahy. Na ahoana na ahoana, misy izany no mendrika ampiana: izay mihetsika, […]
Taratra
Fankalazana ny fetin’ny 26 jona : Hitarika ny fananganan-tsaina ny filoha Rajoelina Andry
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Homarihina amin’ny hetsika maro izany manomboka izao. Hisantarana izany ny fananganan-tsaina azon’ny rehetra atrehina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Hitarika ny lanonana amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]
TSELATRA
Taxi-be iray nirehitra teo amin’ny Jovena Anosizato Andrefana, omaly atoandro, tamin’ny 11ora sy sasany. Nifarimbona namono ny afo ny avy amin’ny zandarimaria teny an-toerana sy ny eo amin’ny tobin-tsolika. Nampiasana fasika sy extincteurs roa ny famonoana izany ary voafehy haingana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy nisy […]
Jiolahy mpamerin-keloka: Lavon’ny balan’ny Zandary i Lekoera
Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso Andilamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voasambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny […]
Anosibe : Jiolahy telo maty voatifitry ny SAG
Nandriaka ny ra, nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, ny zoma teo, tamin’ny 2 ora maraina. Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (SAG) tamin’izany. Mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, izay mbola nanao fanamiana maha mpitandro filaminana azy. Nahitana fitaovam-piadiana toy ny basy roa tany amin’izy ireo, rehefa […]