Taratra

Angovo azo havaozina : 207 MW vaovao ho azo avy amin’ny masoandro

Vahaolana maharitra amin’ny famatsian-jiro ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanomboka tsy ho ela ny fananganana toby vaovao any amin’ny toerana miisa 38. Tafiditra ao anatin’ny fia­m­pitana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Mada­ga­si­kara. Natao sonia ny 16 septambra teo ny fifanarahana voalohany ho an’ny toerana miisa 38 tamin’ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Olan’ny mpitondra teo aloha ny tsy fihainoana ny fitarainan’ny vahoaka ka nitarika ny fihonganany tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’ny mpitarika ny « Tsy manaiky lembenana », Raharinirina Clémence, omaly. Nomarihiny fa mandray andraikitra avy hatrany ireo tomponandraikitra rehefa misy ny olana miseho. Nahemotra amin’ny 13 oktobra, raha saika natao ny talata teo, […]

Fihaonamben’ny diplaomasia : Tafapetraka ny paikady ho an’ny 15 taona

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fihaonamben’ny diplomasia malaga­sy, rehefa naharitra herinandro, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny vina sy paikady vaovao ho an’ny diplomasia malagasy mandritra ny 15 taona ho avy. Lohahevitra dimy no nodinihina tamin’izany. Voalohany ny momba ny diplaomasia mitsinjo lavitra sy stratejika. Ma­naraka izany […]

Vanim-potoana fandinihan-tena

Mangingina indray aloha ry zalahy mpanao politika, te hatao hoe akaikin’ny raiamandrenibe eto amin’ny firenena. Tsy henoheno ny FFM sy ny VFM, ny KMT sy ny Kfir. Tena mahararakivy mihitsy ny zava-misy. Tsy mbola nisy tahaka izany aloha teto Madagasikara, tao anatin’ny 60 taona. Ny an’ny olona, mitambatra na mifamototra […]

Filohan’ny Antenimierampirenena; “Mila hafainganina ny fampidinana ny vidim-piainana”

Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ity filohana Andrimpanjakana ity ny sosialim-bahoaka. “Mitaona ny fahefana mpanatanteraka izahay hanafaingana ny famatsian-jiro sy rano, ny fampidinana ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana ary ny ady amin’ny kolikoly “. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, taorian’ny nitanisany ireo […]