Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Ambony ny ambana amin’ny afo any amin’ny faritra miisa 10 (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Melaky, Menabe, Sofia). Izany hoe, ireo faritra any amin’ny tapany avaratra, andrefana, atsimo ary ny afovoany atsimo no ahitana izany. Milamina kosa amin’ny ankapobeny ny atsinanana sy ampahany amin’ny atsimo andrefana. […]

Fanadihadiana lalina : Tanora 15 nahavita fiofanana

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora 15 avy amin’ny faritra manerana ny Nosy niofana momba ny fanatsikafonana. Fiofanana naharitra telo volana, nokarakarain’ny ONG Malina, hampianarana sy hizarana traikefa amin’ireo tanora liana sy efa misehatra amin’ny asa fanaovan-gazety. Tao anatin’izay fotoana izay, nandalina sy nianatra ary niofanana momba ny tontolon’ny […]

GFEM: Manana faharetana ny vehivavy mpandraharaha

Mitohy ny fankalazan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ny faha-10 taona nijoroany. Efa natombony tamin’ny hetsika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny marsa 2026, ny fankalazana. Mana­tanteraka kongresy nasionaly indray ny fikambanana, anio 17 sy rahampitso 18 septambra, etsy amin’ny hotely Delta Antananarivo. Anisan’ny mpanohana ity kongresy ity ny Airtel, […]

Toekarena mihodina : Ifantohana ny fanodinana ny fako plastika

Havadika ho loharanom-bola ny fanodinana ny fako plastika, fa tsy ho tsindry sy olana ara-tontolo iainana. Tanjona ny hanatanterahana ny Toekarena mihodina. Miisa 12 tamin’ny 50 ireo nandroso tetikasa no nosafidiana hahazo tohana avy amin’ny Tetikasa ExPloi (Expédition plastique océan Indien). Fanohanana sy fampiofanana ara-teknika, fanohanana amin’ny fandrafetana tetikasa sy […]

FANTINA sy FINTINA

Efa miomana amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy Afrika ny Rosianina. Nitsidika ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia, Alexei Buriak. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta sy ny fiaraha-miasan’i Rosia amin’ireo firenena afrikanina. Miangavy mafy ny mpitondra sy ny rehetra ny […]