Taratra

TSELATRA

Notanana vonjimaika any am-ponja, eny Tsiafahy, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay miaramila namono nahafaty ny rafozany teny Ankatso. Raha toa ka eken’ny fitsarana ny vesatra hiampangana azy amin’ny fotoam-pitsarana, sazy mihatra mandra-pahafaty no mety ho azon’io lehilahy nahavanon-doza io, araka ny fanazavana avy amin’ny minisitry ny Fitsarana. Rongony maitso […]

Bolongam-bolamena saika haondrana : Olona enina naiditra am-ponja

Taorian’ny fahatrarana bo­longam-bolamena tetsy amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady 13 septambra lasa teo, olona enina voampanga tamin’izany no naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjaben’Antanimora sy Ava­radrano. Valin’ny fitsarana rehefa avy nohenoina sy nampiakarina fampanoavana teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha, afakomaly, […]

Vohemar: Mpivady niara-hita faty

Vatana mangatsiaka an’ny mpivady no hany sisa hitan’ny fianakaviany tao Tanimbaribe Andranomamy, fokontany Androrona, distrikan’i Vohemar, omaly. Nisy fifamaliana sy disadisa teo amin’ilay rangahy sy ny vadiny ny harivan’ny alarobia 16 septambra lasa teo, araka ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny mpiara-monina. Noheverin’izy ireo fa efa milamina io […]

Jiolahy ikoizana teny Ampitatafika : Voatifitry ny zandary teo amin’ny lohany Ra-tantely

Maty voatifitry ny zandary, omaly maraina, Ra-Tantely, jiolahy raindahiny saika hanafika sy nanakorontana teny Ampitatafika. Mpanafika ikoizana sy mpamerin-keloka izy. Efa nanafika Cash point sy nahafaty olona iray teny an-toerana, ny taona 2023. Jiolahy iray antsoina hoe Ra-Tantely indray no la­von’ny balan’ny zandary, omaly maraina, tokony ho ta­min’ny 4 ora […]

Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany

Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mi­kasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo […]