Efa heno siosio teny foana… nohamafisin’i Bob Tobias sy i Tefi ny fidiran’izy ireo anatin’ny tontolon’ny mozika indray, ankoatra ny hatsikana. «Fibata ». Io no lohatenin’ilay rakikira vao navoakan’i Bob Tobias sy i Tefi. Efa fotoana elaela no nampandrenesan-dry zalahy ireo mpanaraka azy anaty tambajotran-tserasera fa omaly kosa vao nampahafantarina tamin’ny […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Mpianatra miisa 550 ao amin’ny EPP Ankorondrano no nisitraka fitaovam-pianarana avy amin’ny Fondation Viseo, tamin’ity herinandro ity. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo ankizy momba ny aro loza amin’ny fifamoivoizana, fampahafantarana azy ireo ny tokony hatao sy ny fitandremana rehefa eny an-dalambe. Natomboka ny talata teo, teny Anosy, ny fankalazana […]
Fondation Axian-Morombe : Notokanana ny sekoly faha-250
Tamin’ity herinandro ity, nitokana ny sekoly faha-250 naoriny ny Fondation Axian, tao amin’ny EPP Ambahikily, ao Morombe. Fiaraha-miasa amin’ny United World School (UWS) no nahavitana ny efitrano fianarana telo ho an’ny ambaratonga fototra sy efitrano telo ho an’ny garabola. Misy trano fidiovana, toerana fanasan-tanana ary kianja filalaovana koa ao. Trano […]
Oniversiten’i Barikadimy: Matotra ny fiaraha-miasa amin’ i Etazonia
Tonga nitsidika ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ary noraisin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, niaraka tamin’ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana ivelany ny mpandrindra ny foibe Anglisy Corner anivon’ny oniversiten’i Barikadimy sy ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy kolotsaina anivon’ ny masoivohon’ i Etazonia eto Madagasikara, Ryan.J Peseckas, ny herinandro lasa […]
Fikorontanana eo amin’ny atidohan’ny zaza: Ilaina ny fitsirihan’ny manam-pahaizana mialoha
Mbola mahazo vahana eto amintsika ny hevi-draikitra mivoy fa vokatry ny ozona ary aretina mahamenatra ny toe-tena autisme sy ny fahasamihafan’ny fiasan’ny atidoha. Vokany, voahilikilika matetika ny fianakaviana manana ankohonana autiste nefa endrika hisehoan’ny fahasamihafana amin’ny samy olombelona ihany ireo. Izay no nitarika ny fikambanana Mouvement pour la différence hanao […]




