Taratra

Arabe migodana: mirefy 40 km ny asa fandravonana vita

Mirefy 80 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa misasaka, 40 km, ny asa fandravonana vita. Nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe mi­godana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny ala­tsinainy 6 janoary teo. Notom­ba­nana ny fivoaran’ny […]

Indray mijery

Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Cha­minah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fa­nampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Noho ny olana ara-tsolika, […]

Dr. Steven Michael Goodman: namoaka boky momba an’i Madagasikara

Nampahafantarina ireo mpiara-miasa tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ny boky manasongadina ny harena voajanaharin’i Madagasikara. Boky nosoratan’ny Dr. Steven Michael Goodman, nanao fikarohana momba ny rohivoahary tsy manam-paharoa an’i Madagasikara sy ny fiarovana izany tao anatin’ny 30 taona izy ity. Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Akademia iraisam-pirenena momba ny […]

Fiatrehana ny fahavaratra: nidina an-kianja ny tomponandraikitry ny Apipa

Anaty vanim-potoan’ny fahavaratra isika, mihetsika ny herivelona rehetra handrindrana ny fiatrehana ny orana sy ny fotodrafitrasa manodidina. Omaly, nijery ireo olana ma­nakana ny fikorianan’ny rano teny amin’ireo faritra maromaro teto an-dRenivohitra ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo , i Alexandre Georget, sy ny mpi­­ara-miasa aminy, ny tale jeneralin’ny Apipa ary ny […]

Toetr’andro: vinavinaina hatanjakabe ilay rivodoza miforona

Mivoatra tsikelikely ilay faritr’andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Heverina hampiova ny toetry ny andro any avaratry ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hatanjaka ihany koa ity rivodoza ity. Hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy ho avy izao, ilay andro ratsy miforona ao amin’ny […]