Taratra

Nikasa hanafika sy nitifitr’olona : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny fokontany Vo­himary, kaominina ambanivohitra Andiolava, afakomaly maraina, tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’olona iray tany an-toerana ny jiolahy miisa roa. Notifirin’izy ireo tamin’ny basy ny raim-pianakaviana manodidina ny […]

Nosy Be : Olona 22 saika hiondrana any Mayotte

Saron’ny Tafika an-dranomasina, tao amin’ny seranan-tsambo Ambaravato, Nosy Be, ny botry iray nikasa hitondra mpandeha an-tsokosoko hiondrana any Mayotte, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 12 jolay teo. Nanao fisafoana tamin’iny faritra iny ny Tafika an-drananomasina izay sady mpiaro ny sisintany malagasy. Tra-tehaka ny fisian’io botry iray izay nampiahiahy io. […]

Voatifitra omaly i Andry : voatifitra teny amin’ny Capsat

Folo volana taty aorian’ny tolom-bahoaka, namoy ny ainy ny raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teo amin’ny ranjony teny amin’ny Capsat. Narary tampoka ka nalevina omaly izy. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teny amin’ny Capsat ny 12 oktobra 2025. Notanterahina omaly ny fandevanana azy. Efa nialana nenina sy notsaboana nandritra ny […]

« Yas Coupe » 2026 : Nahintsan’ny Ste Anne ny Elgeco Plus

« Taona fotsy! » Nahintsan’ny AS Ste Anne teo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe » 2026, ny Elgeco Plus, omaly, tetsy By-pass. Resin’izy ireo teo amin’ny fandakana « tir aux buts », 5 no ho 4, ny Elgeco Plus, rehefa nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Votso-droa […]