Taratra

Ankazobe : nisitraka jiro sy moto ireo kaominina miisa 15

Nahazo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ny any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony sy manakaiky vahoaka izany. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro sy moto avy amin’ny faritra Analamanga ny kaominina miisa 15 ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Midina ifotony mitondra fampandrosoana no tarigetran’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny rehetra. […]

Sehatra ho an’ny tanora: niakatra an-dampihazo ny avy ao Comores sy Maldives

Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora, ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Ireo tanora avy ao Comores no nisantatra ny sehatra, narahin’ny avy ao Maldives, ny tontolo andron’ny omaly. Tao anatin’ny hafalina sy haravoana tanteraka no nahatontosan’izany rehetra izany, taratra teny amin’ny endrik’ireo […]

Atletisma: hiatrika famaranana avy hatrany i Nanie

Hanomboka anio ny fifaninanana eo amin’ny taranja atletisma. Eny amin’ny kianja Alarobia, no hanatontosana izany. Hisantatra ny fihaonana ny famaranana eo amin’ny halavirana 10 000 m, sokajy vehivavy. Manana solontena telo mirahavavy ny Malagasy, amin’ity. Anisan’izany, i Em­ma, tompondakan’i Madaga­sikara farany, miampy an’i Chantal sy i Oliva. Raha tsiahivina, efa […]

Badminton: resin’i Maurice i Madagasikara

Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy isan-tarika, lehilahy, teo amin’ny taranja badminton. Fihaonana notanterahina omaly alatsinainy, teny amin’ny kianja mitafo Zone Forello Tanjombato. Niondrika tamin’ny isa, 3 no ho 0, nanoloana an-dry zareo maorisianina, i Julio Keman sy i Tianarivo ary i Tokinirina. Efa nampoizina ihany ny vokatra […]

Tenisy: tafita amin’ny famaranana ny Akomban’i Madagasikara

Nahazo fahombiazana avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, na teo amin’ny “simple”, lehilahy sy vehivavy. 100% Malagasy ny hihaona amin’ny famaranan’ny “doubles”, vehivavy. Horakoraka sy hafalina no nandraisan’ireo Malagasy mpijery ny Akomban’i Madagasikara, teny Ambohidahy, omaly. Tonga amin’ny lalao famaranan’ny taranja tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity, ny […]