Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro faharoan’ny « Volet Jeunesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]
Taratra
Taekwondo : medaly volamena 11 ny azon’i Madagasikara
Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady, tetsy Mahamasina, ny famaranana ny lalao ho an’ny taranja taekwondo, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity. Miisa 16 ny medaly norombahin’ireo atleta malagasy, ka volamena ny 11, 4 ny volafotsy ary 1 ny alimo. Nafana tanteraka ny famaranana rehetra natao teny an-toerana. Anisan’ireo […]
Ping-pong : nahazo medaly volamena ny isan-tarika, lehilahy
Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives […]
Baolina kitra : tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea
Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Nosy Maurice, teo amin’ny andro faharoa ho an’ny vondrona «A». Mitarika vonjy maika ny Malagasy, manana isa 4. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, amin’ny taranja baolina kitra ny Barea de Madagascar. Nisaraka […]
Sombim-baovao
Nandresy an’i La Réunion tamin’ny seta 3 no ho 1 i Madagasikara, ho an’ny taranja volley-ball, sokajy vehivavy. Afa-bela izany ny Malagasy, izay resin’i La Réunion teo amin’ny famaranana, nandritry ny lalaon’ ny Nosy 2019 natao tany Maurice. Tsy tafiditra tao anatin’ireo telo voalohany mahazo medaly ny Malagasy teo amin’ny […]