Taratra

Kinininabe Itaosy: tratra ireo jiolahy mpamaky trano

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto sady mpanao fanafihana Cash point. Dimy lahy ireto tambajotra mpanafika sy mpamaky trano ireto ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Nitrangana vaky trano teny Ambohidrapeto, ny volana febroary 2023 lasa teo. Tsy tao an-trano ny […]

Mamo ny mpamily…: taksiborosy nivadika, mpandeha 13 naratra

Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe no tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombontsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina An­dranomanelatra Antsirabe II, PK 158+400, afakomaly. Olo­na 13 naratra mafy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mamo ny mpa­milin’ity taksiborosy ity. Taksiborosy avy aty Anta­nanarivo tsy […]

By Pass: tovovavy nahatrarana rongony 55 gony

Natolotra ny fampanoavana omaly ity tovovavy tsy ampy taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Ny alarobia 23 aogositra tolakandro, teny By Pass Mandikanamana, izy no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) niaraka tamin’ny rongony. Nahazo vaovao ny polisy Stup momba ny fisian’ity tovovavy mitazona rongony […]

Fanapahan’ny HCC : nitondra ny heviny ny minisitra Lalatiana R.

Teny fohy sady tsotra tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. “Fanajana ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana no antony nahatonga ny fanapahana noraisin’ny HCC momba ny fitoriana nataon’ny mpanao politika iray any ivelany ny amin’ny fizakana zom-pirenena ananan’ny Filoha”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana. Nanteriny fa ny fahefana mpanatanteraka no […]