Taratra

Fanombohan’ny hetsika : ho tonga eto Antananarivo anio ny afon-dalao

Hanomboka anio, eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Efa vonona ny fampiantranoana izany hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina izany. Anio zoma 25 aogositra ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hanamarika ny fanombohan’ny hetsika ny fahatongavan’ny afon-dalao, eto an-drenivohitra. Toerana hanatontosana ny […]

Sombim-baovao

Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]

Fanokafana ny lalaon’ny Nosy : hakotroka ny lanonana, hitondra ny saina i Laura

Higadona anio ilay fotoan-dehibe ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo delegasiona vahiny rehetra avy amin’ireo nosy rahavavy handray anjara amin’izany. Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana i Mada­gasikara indrindra ho an’ny lanonam-panokafana. Ankoatra ireo kabary hifandimbiasana, anisan’ny tena andrasana ireo seho sy ravaka […]

BAOLINA KITRA: fandresena voalohany ho an’ny Barea

Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, teny By Pass. Mitarika ao amin’ny vondrona “A” i Madagasikara. Isa telo avy hatrany no nalain’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitsangana ny orinasam-panjakana hitantana ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, na ny «Société d’exploitation du Train urbain» (SETU). Mitentina 100 000 000 Ar ny renivolan’ny orinasa, ka an’ny fanjakana malagasy ny 75%, ary an’ny kaominina, CUA, ny 25%. Tokony ho efa nandeha tamin’ny tapaky ny volana teo ity zotra an-dalamby ity. Voatendry […]