Taratra

Morondava : tokantrano ampolony ravan’ny afo

Hotohoton’ny afo ny tokantrano maherin’ny 10 tao Ampasimopera, fokontany Morondava Centre, omaly tamin’ny 11 ora maraina. Niainga avy amin’ny afo nandrahoana sakafon-kisoa ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy anefa ny afo, nahazo ny trano fonenan’ny mponina manodidina. Nifamonjena navoaka ny entana sy izay rehefa azo navotana. […]

Vaky ny lohany: tovolahy hita faty novonoin’andian-jatovo

Tovolahy iray hita faty nisy namono tao Anjoma Toamasina, afakomaly. Tratran’ny ady tambabe nataona andian-jatovo izy ka nitarika ny fahafatesany… Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana, afakomaly. Tao Anjomba, tsy lavitra ny toeram-pilanonana iray, mifanakaiky amin’ny lalamby, no nahitana ny fatiny. Raha ny angom-baovao voaray, vo­noan’olona […]

ASIEF 2024 – Jhone Love : “Vita soamantsara na nisy aza ny olana”

Nanao tatitra mahakasika ny fifaninanana nasionaly natokana ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief) 2024, oma­ly, ny filohan’ny Asief, An­dria­narison Jean Aimé na i Jhone Love. Nambarany fa vita soamantsara ity andiany 2024 ity na nisy aza ny olana. Satria nandray fanapahan-kevitra avy hatrany sy nitady vahaolana ny tompondraikitra teo anivon’ny Asief. Nitombo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana, anio alakamisy 22 aogositra, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Hatao ny alahady 25 aogositra izao kosa ny dingana famaranana hahafantarana izay ho tompondaka. Nifarana tanteraka ny taom-pilalaovana 2024 ho an’ny ligin’Analamangan’ny Volley ball. Vita avokoa ny fifaninanana rehetra ary miatrika ny fifaninanana […]