Notanterahina omaly, tany Angola, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, dingana savaranando, taranja baolina kitra, ho an’ny Elgeco plus de Madagascar sy ny CD Lunda Sul Angola. Ady sahala 1 no ho 1 no nisarahan’ny roa tonta tamin’izany. Nanindry tanteraka ny Malagasy tamin’ity fifanandrinana ity. Ny Elgeco Plus no […]
Taratra
Baolina kitra – Fifanintsanana “Can 2025”: “Haka isa 6 no tanjona”, hoy ny Me Rôro, mpanazatra ny Barea
Kihon-dalana goavana amin’ny Barea de Madagascar ny lalao roa voalohany amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, taranja baolina kitra. Tanjona ny hakana isa 6 manoloana an’i Tunisie sy i Comores, hoy ny Me Rôrô. Ny talata lasa teo, vao tafaverina an-tanindrazana ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôrô). Omaly, nitafa tamin’ny mpanao […]
Asan’ny PAF : Polisy 49 hiatrika fiofanana
Hanaraka fiofanana momba ny asan’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Paf) ireo polisy miisa 49, nanomboka omaly. Tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’ny fanatsarana ny tolotra sy amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo olom-pirenena eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato izany. Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny asan’ny […]
Kaomisera Rafaliarivo Jules : « Aoka izay ny fampandosirana voafonja »
Trangan-javatra roa no natsidiky ny kaomandin’ny polisin’ny Fip Toamasina, ny Kaomisera Rafaliarivo Jules teo anatrehan’ny fivorian’ny OMC, ny alatsinainy teo nandritra ny famoriana ny sefo fokontany, omaly. Voalohany, ny tandrevaka ataon’ny mpiandry fonja ka mahatonga ny voafonja tafatsoaka ary ireo voafonja tena atahorana mafy sady mpanao fanafihana mitam-piadiana. « Aoka izay […]
Antsirabe : notanana am-ponja ilay mpangalatra moto
Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja ny mpangalatra moto iray tao Soanindrariny, kaominina Antsirabe II, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa lasan’ny olon-dratsy ny moto iray tao Miaramasoandro, ny 24 jolay teo. Voaray tamin’io fotoana io ny anaran’ny olona ahihina ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nanao fikarohana avy […]




