Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11. Nakotroka ny lanonana. Nanome voninahitra ny lanonana izay tonga nanotrona ny fanokafana, ny filoham-pirenena 3 avy amin’ny Nosy Maurice, Seychelles ary Comores, niampy ireo andrimpanjakana maro avy amin’ny Nosy rahavavy. Niatomboka […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Mitombo isa ireo sekoly manome hasina ny kolontsaina malagasy, mampiditra ho anisan’ny taranja ianarana, ao aminy, ny zavakanto. Mahazo vahana amin’izany ny fanorona, ny fomba amam-panao, ny asa tanana tahaka ny rary, ny fianarana mitendry zavamaneno, sns. Mbola tazana hatrany anefa fa ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana no maro […]
Hosodoko : Tafaverina indray ny fampirantiana « Hosotra »
Tanterahina eny amin’ny Colline-Maison sociale des arts, Ambatovinaky, ny fampirantiana « Hosotra ». Hetsika tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2023. Fampirantiana hanehoana ireo asa tanana sy haikanto vita amin’ny plastika. Mpahay kanto eo amin’io sehatra io miisa 36 no mampiranty ny asa tanany eny an-toerana. Mandrafitra izany ireo mpahay kanto […]
« Slam nationale 14 »: hifaninana ny ao Antsiranana
Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsiranana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana […]
Fanararaotra ny JIOI : azo amidy tsara ny zavakanto
Nosokafana, omaly, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mahatratra 4 000 any ho any ny vahiny tonga eto Madagasikara. Ankoatra ny fanatanjahantena, mahaliana ny ankamaroan’izy ireo ny mampiavaka ity firenena ity. Na samy ato anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina aza, manana ny mampiavaka azy i Madagasikara sy ny Malagasy. Fanararaotra ny […]