Taratra

Nify marary : miteraka aretina toy ny “rhumatisme articulaire” raha tsy voatsabo ara-dalàna

Aretina iray tena mampijaly ny an­kamaroan’ny olona ny areti-nify. Vanim-potoana mampihetsika azy ny vaninandro ririnina tahaka izao. Tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany vao ma­nomboka mandre maharary mba tsy hahatongavana amin’ny aretina hafa, hoy ny mpitsabo. Matetika rehefa simba ny nify vao manatona mpitsabo ny ankamaroan’ny olona. “Tsy misy fitsaboana […]

FANTINA sy FINTINA

Hiaraha-hiasa ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (Pnud) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Hatsaraina ihany koa ny taha-pahavitrihan’i Madagasikara amin’ny varotra sy ny fandraharahana. Hamafisina ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy Indonezia eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]

Hetsika fampiroboroboana toekarena : horaisin’ny Madavision ny Fim, Fia, SIH… 

Anisan’ny nitana anjara toerana teo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana, ny hetsika nokarakarain’ny Forello Expo ary matihanina tanteraka. Hoha­tsa­raina sy hihavao izany manomboka izao. « Isaorana ny eo anivon’ny fitantanana ny Forello Expo nametraka fitokisana aminay amin’izao handraisanay an-tanana ny hetsika rehetra, hatao eny Tanjombato izao », hoy ny tale […]

Mila sahy

  Efa mandeha sy miparitaka ny lalàna mifehy ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa mila vonombonona avokoa izay te hilatsaka hofidiana. Fotoana izao hanombohan’ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony. Indrindra ho an’ny tanora na lahy na vavy. Zava-dehibe ny fahasahiana mamaky lay. Mila zatovo vonona sy vanona ny taninjanaka. […]

Fivoriana Cop11: fitantanana maharitra ny ranomasina

Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 hatramin’ny anio 22 aogositra ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny Fifanarahan’i Nairobi. Mifantoka amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ny lohahevitra. Miisa 11 ny firenena (Madagasikara, Sey­chelles, Somalia, Kao­moro, Maorisy, Tanzania, Kenya, Mozambika, Afrika Atsimo ary Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) aty amin’ny ranomasimbe Indianina […]