Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka, omaly hariva. Fantatra fa mpitandro filaminana handeha hody eny Ambohitrimanjaka ity tra-doza tampoka ity. Potika tanteraka ilay moto nentiny sy ilay fiara nandona azy. Efa nentina hopitaly ilay naratra. Maty voatifitry ny miaramila mpampandry tany tao an-tanànan’i Fiherenana, fokontany Tsaratanana kaominina Miandrarivo Tsiroanomandidy, afakomaly, […]
Taratra
Lasa ny vola 400 000 Ar: mpanao Cash point norobain’ny jiolahy
Miseholany ny trangam-panafihana ataon’ny jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina. Cash point iray indray lasibatra, omaly. Lasa ny vola sy telefaonina. Telo lahy nandroba Cash point tao Tanambao V, kaominina Toamasina, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Hanokatra ny toeram-piasany toy ny mahazatra, tsy nanampo na inona na inona ny ramatoa iray tompon-tsena. […]
Ambohibao: vehivavy naratra nodarohan’ny sakaizany
Saika namoy ny ainy mihitsy ilay tovovavy nodarohan’ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Morondava, kaominina Ambohibao, ny alahady alina teo. Potika tanteraka ny tarehin’ilay tovovavy sady nihosindra tanteraka. Voalaza fa resaka hasarotam-piaro no nitarika ity sakaizany hanao herisetra tamin’io olon-tiany io. Henon’ny olona mpiray vodirindrina aminy ny herisetra nataon’ity tovolahy […]
Potika ny lohany: lehilahy maty nitifi-tena
Tsy fantatra ny zava-nisy marina nahatonga ny tovolahy iray nitifi-tena, omaly. Basy efa nirefodrefotra no nanaitra ny mpiray tanàna. Ny basin-drainy no namonoany tena. Nandriaka ny ra, lehilahy 18 taona maty nitifitra ny tenany tamin’ny basy tao Ambatoafo, distrikan’i Sambava, ny 19 aogositra teo. Nijanona irery tao amin’ny trano fonenany […]
Taninketsa indostrialy ao Mananjary: tafapetraka ny milina hanodinana « chips »
Mitohy ny fampiroboroboana ny indostria eny Ifotony. Tonga ao amin’ny distrikan’i Mananjary, faritra Vatovavy, omaly, ny milina hanodinana ny soanambo sy akondro ary vomanga ho lasa « chips ». Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny taninketsa indostrialy. Toerana mamokatra voankazo i Mananjary, mahatratra hatrany amin’ny 60 000 taonina isan-taona ny vokatra azo. Antony nametrahana […]




