Nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitr’ i Patrick Raharimanana, omaly, tao amin’ny tambajotra sosialy, nanambara ny filatsahany hofidiana ho ben’ny Tanànan’i Mahajanga, amin’io fifidianana ho avy io. « Ho ataontsika modely amin’ny fampandrosoana eny ifotony i Mahajanga I … », hoy izy tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany. Nisy ihany koa ny filazalazany ireo tetikasany maro […]
Taratra
SNLCC vaovao: Efa manomboka ny famolavolana
Ny faritanin’i Mahajanga no nanombohana ny fanaovana ny dinika isam-paritra hamolavolana ny “Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption” (SNLCC). Nifarana omaly ny fikaonandoha, ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Dinika nandraisan’ireo tomponandraikitra anjara mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ao an-toerana. Raha tsiahivina, dingana voalohany ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Dingana faharoa […]
Antoko HVM: handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina
Velona ary mbola vonona hifaninana handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny antoko HVM. Na eo aza ny fiarahana amin’ny vovonana Firaisankina. Angatahan’ny antoko ny hisian’ny olony ho ao anaty lisitra. Nanao fanambarana ny avy eo amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo, mpandridra […]
Arai : raikitra ny fandraisana tale jeneraly vaovao
Nanomboka omaly ny fandraisan’ny Komity mitandro ny fahitsina (CSI), Antaninarenina, ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho tale jeneralin’ ny Rafitra famerenana amin’ ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), taorian’ny nahalasanan’ny tale jeneraly ny 14 mey teo. Miantoka ny fahaleovantenan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny CSI, araka […]
RPSD : “Tsy tokony hambaniana ny fametrahana kandidà”
“Tsy tokony hambanimbaniana ny fametrahana kandidà eto. Misy fisainana sy fiaraha-mientana. Tsy vitan’ny antoko politika irery ny manohana kandidà ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD eo anivon’ny Irmar, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Tokony hotandremana tsara […]




