Taratra

TSELATRA

Lasan’ny jiolahy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray nandeha bisikileta teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no nanararaotan’ireo jiolahy. Notsatohan’ny jiolahy antsy ny tovovavy iray handeha hiasa eny Tanjombato, omaly maraina. Monina eny Ankaraobato Tanjombato izy ka teny an-dalana hamonjy taxi-be no nifanehatra tamin’ny jiolahy roa.

Imerintsiatosika : vehivavy maty notsindromina zava-maranitra

Fatim-behivavy mitsirara hitan’ny fokonolona tao Am­bohimanga, fokontany Miaka­daza, kaominina Imerintsia­tosika, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpanao biriky iray teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra olona nitsirara tao anaty kirihitra tao an-kady. Hatairana, nikoropaka niantso ny mponina manodidina avy hatrany io lehilahy io. Nojerena, fatim-behivavy ity nisy nanary ity. Nidina ifotony nanao […]

Zava-mahadomelina : 10 lahy nahatrarana rongony 15 gony

Olona miisa folo mpitatitra rongony hihazo an’i Manakara voasambotry ny zandarimaria tao Vohimasy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny kaomandin’ny tobim-paritra momba ny fisian’ireo olona mitondra zava-mahadomelina ireo. Voasambotra tao amin’ny fokontany Ambalaroka Belahala, kaominina Tovona, distrikan’i Farafangana ny olona efatra. Rongony milanja 82 kilao nafatratra tao anaty gony. Nentina namonjy ny […]

Famonoana an’i Marimoutou Frédéric: ampolony ireo teratany vahiny nohadihadiana

Maty nihosin-dra tao Morafeno Toamasina, afakomaly, i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana. Notapahan’izy ireo ny tendany. Noraisin’ny polisy misahana ny ady heloka be­vava ao Tanamakoa Toamasina ny momba ilay raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay 61 taona. Hita faty nitsirara […]

Mpitendry, mpamorona, mpikarakara hetsika: vonona ny hanohy ny lalany i MC Dinah

Randrianarisoa Dinah, fantatra amin’ny anarana MC Dinah eo anivon’ny tontolon’ny hira sy ny fitendrena gitara ary ny famoronana. Taona 2016, nifoha ny aingam-panahy hoentiny mamoron-kira. Nohalalininy ihany koa ny fomba fitendrena ny gitara. Voaforony ny « Let’s sing together », hira voalohany. No­ho ny fifampikasohany tamina mpanakanto hafa, tahaka an’i Fy Rasolofoniaina, Eddie […]