Lohalaharana amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena miompana amin’ny fiatrehana ny loza sy ireo paikady maro mahakasika ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra ny Banky iraisam-pirenena. Teo anilan’ny BNGRC hatrany izy ireo. Nitafa sy nifanakalo hevitra ny Tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy i Tahir Akbar, manam-pahaizana manokana momba ny […]
Taratra
Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : vono olona, halatra moto, fanafihana
Mihoron-koditra ny mponin’ i Toamasina amin’izao fotoana. Mirongatra ny vono olona, ny fanafihana mitam-piadiana, ny halatra moto, ny harom-paosy ary ny vaky trano… Lasa manjaka tanteraka ny asan-jiolahy ao an-toerana, ankehitriny. Ho an’ ny alatsinainy tapany maraina teo fotsiny, nahitana trangana tsy fandriampahalemana maro tao an-toerana. Anisan’ izany ny asan-jiolahy […]
FANTINA sy FINTINA
Nisaotra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny kandidà ben’ny Tanàna, Rinah Rakotomanga. “Isaorana izy namaly ny antso nataoko mba hisian’ny fifaninana masina eo aminay mianaka ka hirotsahany hofidina. Nihaino ny fangatahako izy ka ho adin’ombalahin’ny mpianakavy izy ity… Efa vonona aho sy ny ekipako”, hoy izy. “Avelao ny fitsarana […]
Fitantanana ny Sadc amin’ny taona 2025: misy ny tombondahiny ho an’i Madagasikara
“I Madagasikara no mitantana ny foibem-pitondrana voalohany eo anivon’ny Sadc mandritra ny herintaona, misafidy izay ho lohahevitra hitantanana ny Sadc mandritra ny herintaona. Izy ihany koa no hampiantrano ireo fivorian’ny filankevitry ny minisitra sy ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony ary ny fihaonana an-tampony”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, […]
Ho lalao henjana !
Raha mahoraka ny fananganana governemanta, tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Mbola malaza ho “favori” ny antokon’ny filoha teo aloha na ny Tiako i Madagasikara. Porofon’izany ny nahazoan’izy ireo toerana maromaro teto anivontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy midika […]




