Nihemotra tamin’ny paikadiny ny fitondrana, araka ny nambaran’ny depiote “Del kely”, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ao amin’ny onjampeo iray. «Nikasa hametraka minisitra sarintsarina mpanohitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana saingy nihemotra tamin’ny fotoana farany», hoy izy. Nohitsiny fa hampiaka-peo avy hatrany ny eo anivon’ny fanoherana raha miseho izany ary hidradradra […]
Taratra
TSELATRA
Fasana telo indray no nisy namaky tao Tanambao, fokontany Ambatomitsangana, kaominina Ampanotokana, Ambohidratrimo, ny alahady teo. Olona handeha haka kitay no nahatsikaritra ireo fasana misokatra. Lasa ny ankamaroan’ireo razana tao am-pasana. Nijoalajoala ny afo noho ny firehetana tao amin’ny sambo niantsona tao Mahajanga Be, omaly. Namboarina teo amin’ny seranana ity […]
Ambohimangakely: mpanendaka fito lahy voasambotra
Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy miisa fito mpanao asa ratsy eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Efa misy intelo nifonja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Manendaka sady mamaky trano eny amin’ireo kaominina manodidina izy. Manao fanafihana mitam-piadiana, mamaky fiara sy manendaka eny amin’ny toerana mangingina, toy ny eny Ambohibe, kaominina Ilafy, […]
Lozam-pifamoivoizana : lehilahy maty voahosin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 60 taona tao Ambohimahasoa, omaly maraina. Nijanona hisakafo, nametraka ny fiarabe teo amoron-dalana ny mpamily. Tsy tana tamin’ny alalan’ny kaly tampoka io kamiao io ka nifaoka trano maromaro teo amin’ny sisin-dalana. Nifanindry an-dalana tamin’io fotoana io, tsy tafatsoaka ny fiara namantana tamin’ny tsena amoron-dalana […]
Nitsirara tampoka…: Raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. […]




