Mitaintaina ny mpanjifa sao mety hisondrotra ny saran’ny fakitoran’ny Jirama, indrindra ny herinaratra. Nitondra fanazavana ny Praiminisitra, Ntsay Christian, omaly, fa tsy vahaolana izany fisondrotana izany ho an’ny besinimaro, satria efa sahirana ny isan-tokantrano. Nomarihiny kosa anefa, fa misy ny fanitsiana, ary hisy ny fifampiraharahana amin’ny Vondron’ny mpandraharaha (ny Gem, […]
Taratra
Tany Meva: hohatsaraina ny fomba fitantanan’ny fikambanana eny ifotony
Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Fondation Tany Meva sy ireo fikambanana ifotony (OC) misehatra amin’ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’ny fifanarahana ihany koa ny MNP sy ny ONG Fanamby. Mifantoka amin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fitantanan’ny Fikambanana ifotony (OC) ny fifanarahana. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’ny Tany Meva ny fanatanterahan’ny […]
TARATRY ny KANTO
Ny tolakandron’ny omaly vao nifarana ny « Festival Sômaroho”. Iny efa mahazatra ny mponin’i Nosy Be ihany, saingy ny nampiavaka azy tamin’ity, navelan’i Wawa ho an’i Fandrama indray izany. Tarika marobe no nifandimby an-tsehatra tao amin’ny kianjan’Ambodivoanio, nandritra ny efatra alina nisesy. Nikatona ny alahady teo ihany koa ny “Festival Sobahya”, […]
Fitsirihana talenta ao Antsirabe: hifantina mpilalao tantara ny Bira Ti’Art
Anisan’ireo milalao tantara amin’ny onjampeo ny fikambanana Bira Ti’Art. Ho fanandratana avo ny sehatry ny tantara an’onjampeo, nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, Yanita Parson, fa ao anatin’ny fanitarana ny hetsika sy ny sehatra ataony izy ireo amin’izao fotoana izao. “Fanombohana izany ny fitsirihana sy fifantenana ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo […]
“Homo Faber 2024” : handray anjara amin’io hetsika io ny zavakanto malagasy
Hahazo tombony manokana ireo mpahay kanto, mpanao asa tanana. Hetsika anisan’ny lehibe, ahitana atrikasa sy fampiofanana maro ho fampiroboroboana ny zavakanto sy ny tontolony ny “Homo Faber”. Hotanterahina ny 1 hatramin’ny 30 septambra 2024, ao amin’ny Fondation Giorgio Cini Venise Italia, ny “Homo Faber 2024”. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny […]




