Niainga tamin’ny zavaboahary, toy ny feon’ny rivotra, feon’ny ranomasina, feon’ny hazo, feon’ny vy ny mozika. Nanita-tsaina ny olombelona ary nandalina izany mba hihatsara sy hanome feo tsaratsara kokoa. Anisan’ny azo tamin’ny fandinihana lalina natao ny famoronana ny mozika klasika. «Mozika lehibe nohalalinina sy voasoratra ary manaraka ny zava-misy sy ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nanome voninahitra ny lanonam-pianianan’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, ny filoha Rajoelina Andry mivady, ny herinandro teo. Voafidy faninefany hitondra an’ity firenena ity i Kagame. Manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta sy ny firaisankina eo amin’ny samy afrikanina izao imasoan’ny filoha Rajoelina izao. Nodimandry omaly, tetsy amin’ny […]
Praiminisitra Ntsay Christian : «Tsy zava-baovao ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE»
“Narafitra sy nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny janoary 2024 ny PGE. Tamin’ny febroary 2024 no nanolorana teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny fandaharanasa fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian nanolorana ny fandaharanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) tamin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, jona […]
Ny honohono tsy ihavanana
Miteraka resabe, eto an-toerana hatrany ivelan’i Madagasikara, ny mahakasika ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa fotoana maharitraritra izy izay tsy hita popoka. Tsy nandrenesam-peo, tsy hita miasa eny an-kianja. Tsy hay mazava ny zava-misy marina kanefa Antananarivo, fitaratry ny firenena, no resaka eto. Raha ny honohono dia […]
Faha-5 taonan’ny RMDM: «Hitohy amin’ny fanavotam-pirenena ny tolona»
Nanamarika ny faha-5 taona nijoroany ny RMDM. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nahitsy ireo nandaha-teny tetsy Bel Air, manoloana ny mpitondra, tamin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny RMDM. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa tsy mba mihaino ny mpitondra ka tsy mahagaga raha niafara amin’izao misy […]




