Taratra

Fizahantany: sehatrasa afaka mampandroso firenena

Anisan’ireo mitana anjara toerana amin’ny fampi­roboroboana ny sehatry ny toekarena ny fizahantany ho an’i Mada­gasikara mano­kana. Maro ny vo­ka­tsoa na dia eo aza ny voka-dratsy entiny. Mitana anjara andraikitra lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena iray ny fizahantany. Sehatrasa afaka mampiarina ny fiainam-bahoaka, mitondra fampandrosoana eo amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny toerana […]

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Inoana fa ho tanteraka avokoa ny PGE”

“Ny zavatra nolazain’ny Praiminisitra ny amin’ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE dia inoana fa ho tanteraka avokoa”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Ran­dria­nasolo Jean Nicolas, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’izao fe-potoam-piasana izao. […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony haharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha Rajoelina Andry ireo tomponandraikitra, araka ny nambaran’ny governoran’Analamanga, Rasoa­maromaka Hery tetsy Mahamasina, afakomaly. “Mila miezaka mafy isika amin’izany mba hanatanterahana ny vina napetrany”, hoy izy tamin’ny fizarana “Tsimbina”. Nitohy indray ny hetsiky ny vehivavy MMM. Nivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ilaina amin’izao fampidirana mpianatra izao […]

Tan-dalàna… tsara tantana

  Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitan’izany, atao ho anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly… Mby aiza? Matoa atrehina manokana izany, tsy mbola tonga amin’izay iheverana azy. Na tsy mbola mety kolontsaina mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna. Misy hatrany […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : hanomboka ny 5 septambra ny fametrahana firotsahan-kofidina

Efa nivoaka ny tetiandro sy ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina ho an’ireo hirotsa-kofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, hotanterahina ny 11 desambra izao. Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny 9 aogositra teo izany. Hanomboka ny alakamisy 5 ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpirotsaka […]