Taratra

TSELATRA

Olona 27 tra-boina vokatry ny haintrano tao Ambatomasina, kaominina Ambatomanga, ny sabotsy 10 aogositra teo. Trano miisa fito azon’ny afo. Nifamonjy nifehy io firehetana io ny fokonolona. Tsy nisy noraisina avokoa ny entana tao anatin’ireo trano lasibatra. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny fiaran’ny mpanakanto Big Mj tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisy […]

Fianarantsoa : mpamaky trano telo voasambotra

Saron’ny polisy ireo telo mianadahy tompon’antoka tamin’ny famakian-trano tao Fianarantsoa Renivohitra, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ao amin’ny DRSP Haute Matsiatra fa niharan’ny vaky trano ny tokantrano iray anatin’io kaominina io. Naharay loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza izy ireo, taorian’io ka nidina ifotony. Olona telo nahatrarana entana halatra. Vehivavy ny iray […]

Famonoana karana mpandraharaha: Karohina ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava

Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, namoy ny aina vokatry ny tifitra ny teratany karana iray mpandraharaha tao Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Ifampitadiavana ireo nahavanon-doza. Voan’ny bala nifanandrify ny ilan’ny kibony havanana, maty tsy tra-drano ny teratany karana iray 57 taona tao Mahajanga Re­nivohitra, ny harivan’ny zoma teo, tamin’ny 6 ora […]

Vaovao tambatra

 Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.  Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika […]