Tsy mandray mpiasam-panjakana vaovao ny minisitera rehetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024, ankoatra ny fitandroana ny filaminana. Hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony ny fanapahan-kevitra satria betsaka ny fotodrafitrasam-pahasalamana miorina tsy misy mpiasa. Nivory niaraka tamin’ny tomponandraikitra sy talen-tsekoly avy amin’ny tsy miankina ny ekipan’ny Ofisy nasionaly misahana […]
Taratra
Ambalamanasy -Toamasina: tokantrano maro ahina ho rava fonenana
Nisavoritaka vao maraina ny fokonolona ao Ambalamanasy, Carreaux fahatelo, afakomaly. Anton’izany ny filazana fa hisy ny fandravana tokantrano manodidina ny 120 tafo any an-toerana. Efa tonga teny an-toerana ny vaditany nanatanteraka ny didy fanesorana ny fefy sy ny trano eo amin’ilay toerana. Tsy nanaiky lembenana tamin’izany ny fokonolona ary niaro ny […]
Taratry ny kanto
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy mozika, indrindra ny Jazz, ity faran’ny herinandro ity. Hanamarika izany mantsy ny « Jazz Street », atao eny amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina, anio, sy ny “Grande Scène”, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, rahampitso. Hetsika samy tafiditra ao anatin’ny “Festival Jazz Tohatohabato”, andiany faha -13. “Les Elles des jeux”, fampirantiana atao […]
Vohitra manan-tantara: fetin’ny taranaka FJKM Ambohimamory
Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nahatahiry izany ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Hisongadina amin’ny « Fetin’ny taranaka » hotanterahina rahampitso eny an-toerana io. Nanao antso ho azy ireo ny tomponandraikitra hanatontosa ny fihaonana hiainana indray ny fifankatiavana sy firaisankina ary ny fifankahalalana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanompoampivavahana […]
Miroso amin’ny maha matihanina… Niofo ho tarika Feokanto ny Zazakanto
Taona maromaro lasa izay, horonantsary iray nahitana sy nahenoana ankizilahy maromaro nihira an-dalambe, no lasa nalaza tampoka. Samy nahatsikaritra fa manam-peo azo trandrahina ireto tovolahy ireto, raha misy fanarahana bebe kokoa. Maro ireo nanolo-tanana ny hanosika ny talentan-dry zalahy ireto, ka nifanaraka ireo fa ankinina amina mpanakanto afaka mitari-dalana azy […]




