Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]
Taratra
Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Madagascar Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny robotika. Fifaninana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics […]
Vaovao tambatra
Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]
Afo tany Isalo: olona iray voasambotra
Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety manodidina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]
Mpanjono: tanjona ny hananana matihanina 37 500 isa
Mandray anjara feno amin’ ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famatsiana ny mpiara-belona manerana ny Nosy ary manome lanja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tantsaha avokoa ny 75% ny Malagasy ka ampirisihina ny hanatonan’izy ireo ny biraom-panjakana […]




