Nifamaly tifitra tamin’ny zandary sy ny Tafika ny dahalo ampolony tao amin’ny kaominina Ambakireny, omaly maraina. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, lavon’ny bala i Njaka Bara na i Popoka, dahalo ikoizana amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, omaly maraina. Anatin’ny hetsika “Harato”, mpitandro […]
Taratra
Fifidianana ben’ny Tanàna: mampirisika ny vehivavy ho kandidà ny KMF/Cnoe
Ho fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, manao antso avo amin’ny andriambavilanitra handray anjara mavitrika ny KMF/Cnoe. Manentana ny mpifidy koa ny fikambanana. Hanentana bebe kokoa ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny kaominina. Hidina ifotony amin’ireo faritra maromaro ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, manomboka izao. Anisan’ny hataon’izy ireo amin’ izany ny […]
Tsy salama saina: vehivavy voalaza fa very, hita faty notapahin-doha
Voalaza fa tsy hita popoka ity vehivavy iray tsy salama saina. Hitan’ny fokonolona anefa ny vatana mangatsiakany efa notapahin-tenda, omaly. Mbola ifampitadiavana ny lohany. Vehivavy 59 taona hita faty tsy nisy loha intsony tao amin’ny Andranomiadiloha, kaominina Ampitana, distrikan’Ambohimahasoa, omaly. Nanao filazana tamin’ny radio ny fianakaviany fa tsy hita ny […]
Afa Analakely: hiatrika fifaninanana maro
Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sekolin’ny baolina kitra, Analakely Football Academy, Afa, maro ny fifaninanana miandry azy ireo. Ho an’ny zazalahy U13, handray anjara amin’ny « Orange Challenge », fifanintsanana izay karakarain’ny Orange sy ny Union des clubs et écoles de Foot (Ucef), any Mahajanga, manomboka […]
MFM: “Fahadisoana bevava raha tsy hatao ny fifidianana kaominaly”
Nitondra ny fijeriny momba ny teo-draharaha politika eto amin’ny Nosy ny antko MFM. Mila atao amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly, araka ny heviny. “Fahadisoana bevava ny zava-misy, raha tsy hatao ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara amin’ity taona ity. Ny hevitry ny MFM: tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidianana.” […]




