Niara-dalàna sy nanohana ny mpamokatra malagasy hatrany ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra “Fier-Mada”, nandritra izay 25 taona nisiany izay. Nisongadina hatrany ny fihaon’ny mpanjifa mivantana amin’ireo mpamokatra avy eny ifotony. Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpamokatra sy ny tantsaha manerana ny Nosy ny hetsika “Fier-Mada” izay atao eny amin’ny kianja […]
Taratra
Raharaha Romy Voos: mbola meloka amin’ny resaka kolikoly
Tsy voafafa ny fiampangana an’i Romy Voos Andrianarisoa, ho nanao kolikoly. Nisitraka fanalefahan-tsazy izy, noho ny fahafenoana be loatra ny fonja, hoy ny ambasady britanika. Nanao fanambarana tamin’ny kaonty Facebook-ny, omaly, ny ambasady britanika eto Madagasikara. Nivoitra tamin’izany fa mbola mitombina ny fiampangana an’i Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’ny Fiadiadiana […]
Vaovao tambatra
Mahatratra 55,5 taonina ny horita azon’ireo mpanjono ao amin’ny faritra SAVA nandritra ny fisokafan’ny Jono tao an-toerana, ny 01 aogositra teo. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-mitantana ny harena anaty rano iarahan’ny minisitera sy ny mpanjono madinika. Marihina fa nikatona roa volana ny jono horita tao Sava. Hiverina amin’ity volana ity ny […]
Sandam-bola ariary: manodidina ny 5 000 Ar ny 1 euro
Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola ariary. Manodidina ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro, ankehitriny. Raha ny tsenam-bola navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly 6 aogositra, misanda 4 941 Ar ny 1 euro, ary 4 565 Ar ny 1 dolara. Mandrindra ny lafiny sandam-bola ny BFM. Araka ny fampahalalam-baovao navoakany, […]
FOFIFA: mikatso ny asam-pikarohana rehetra
Mijanona avokoa ny asam-pikarohana momba ny fambolena ataon’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ao anatin’izao fitokonana izao. Misy akona betsaka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra izay tena miankina amin’ny fikarohana atao ny zava-misy. Ankehitriny, miombom-po sy mitaky ny fametraham-pialan’ny Tale jeneraly ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Fofifa any amin’ny faritra […]




