Niara-notanana vonjimaika any am-ponja, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fampanoavana, ireo teratany vahiny 14 niampy Malagasy 10 nikasa hivoaka antsokosoko ny fari-dranomasina tao Ambalabao, fokontany Marovato, kaominina Ankaramy, distrikan’Analalava. Voasambotry ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tampoka tao amin’io toerana io ireo somalianina ampolony ireo niaraka tamin’ny Malagasy, ny 23 jolay […]
Taratra
Lalam-pirenena RN2: harenina daholo ny lalan-dratsy rehetra
Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eo am-pamaranana ny famitana godirao any amin’ny faritr’i Manjakandriana. Nohazavain’ny tale jeneraly (DG) ny minisiteran’ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, omaly, fa eo am-pamitana ny fanaovana godirao ny avy aty Antananarivo hatrany amin’ ny PK 48 aorian’i Manjakandriana. Hitohy indray ny asa, ka […]
Vaovao tambatra
Mirongatra amin’izay ny doro tanety any amin’ny lalam-pirenena RN4, mankany Mahajanga. Araka ny fanehoan-kevitry ny mpanakanto Dah Mama tao amin’ny tambajotra sosialy, amina hekitara maro ny afo any amin’ny 25 km mialoha ny hidirana an’Ankazobe. Haingana ny fiitaran’ny afo, satria mandrivotra be any an-toerana ary tsy misy ny mamono ny […]
RN5 – Soanierana ivongo: efa vita hatrany amin’ny 50% ny tetezana vaovao
Mandroso ny asa fanamboarana ny tetezana vaovao any amin’ny Soanierana Ivongo, amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5), PK 530. Mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe ity fotodrafitrasa ity, anisan’ny tena lehibe, satria mirefy 320 metatra ny halavany, ary 7 metatra ny sakany, azo hifanenan’ny fiara roa. Fiaraha-miasa iarahan’ny mpamatsy vola avy any […]
DISTRIKAN’I BEALANANA: nahazo fampitaovana ny tantsaha
Natolotra ny 1 aogositra 2024 teo, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny mpiompy, ny mpamboly, mitotaly 351 any amin’ny distrika Bealanana, faritra Sofia. Nisitraka izany ny fikambanana tantsaha miisa 14 any amin’ny kaominina miisa 8 (Bealanana, Antsamaka, Ambatoriaha Atsinanana, Ambatosia, Beandrarezona, Mangidirano, Marotaolana ary Ambararatabe Avaratra). Ho an’ny fiompiana, miisa 13 ny […]




