Tanjon’ny fandaharanasa Fihariana, araka ny namoronan’ny filoha Rajoelina azy, ny hampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora. Ao anatin’izany ny hanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, fiofanana ary fanohanana manokana. Manana paikady mazava ny fandaharanasa Fihariana, ahafahan’ny tanora sy ny vehivavy mpandraharaha mampandroso ny tetikasany. Hita any amin’ny distrika miisa 115, nanomboka ny taona 2019, […]
Taratra
Indray mijery
Nandray an-tanana ireo tra-doza nandritra ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny BC Namorona, nahafatesana olona 6, ny tomponandraikitra ifotony ao Manakara. Nanampy tamin’ny fitondrana ny razana hihazo an’i Vohipeno izy ireo ary mikarakara ireo maratra 11 mbola manaraka fitsaboana. Ireo olona namonjy tsena hody any Ambalona , CR Sandroy no tena voa […]
«Journées de Cancerologie de Madagascar»: hankalazaina any Mahajanga ny andiany faha-22
Tanterahina ny 7 sy 8 aogositra 2024, any Mahajanga, ny “Journées de cancerologie de Madagascar”. Anisan’ireo mandray anjara mivantana amin’izany ny Association s’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom). Hetsika maro no entin’ireo mpitsabo sy mpisehatra eo amin’ny fahasalamana manamarika izany. Hisy ny velakevitra sy fanentanana maro isan-karazany, […]
Akora simika: mitarika fahavoazana mafy ho an’ny fahasalamana
Nanaraka fiofanana mahakasika ny fitantanana ny akora simika ny vondrom-paritry ny tontolo iainana Vakinankaratra sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity misahana ny fampandehanana ny ivontoerana fanaraha-maso ny akora simika, ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mitantana ara-drariny ny izany mba tsy hitera-doza sy tsy hiparitaka eny amin’ny tontolo iainana. Miteraka […]
Antananarivo sy ny manodidina: tanàna maro no mijaly rano, voatery mividy lafo
Miverina ny olan’ny rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Filaharambe eny amin’ny paompy izay hany sisa mandeha. Vidian-dafo hatrany amin’ny 1000 Ar ny daba mavo iray. Maintany tanteraka ireo tanàna amin’ny faritra avo eto Antananarivo sy ny manodidina, tao anatin’ny roa herinandro izao. Tsy mandeha ny ranon’ny Jirama na ny […]




