Mitohy nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny dingana faharoa amin’ny fanadinana bakalorea teknika manerana ny Nosy. Miatrika izany ireo mpiadina ao anatin’ny sokajy teknolojia sy fanofanana arakasa, ao amin’ny lalam-piofanana teknika. Zava-dehibe ho an’ireo mpiadina ity fanadinana ity satria hanaovana ireo taranja manokana ho an’ny sokajy tsirairay avy. Mizotra am-pilaminana […]
Taratra
Akany Akamasoa : nanaovana hetsika kopia faobe
Manohy ny fitsarana mitety vohitra ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanatanterahana ny ezaka kopia faobe. Teny amin’ny Akany Akamasoa no nanatanterahina izany, ny herinandro teo. Ankizy miisa 615 no nisitraka izany teny an-toerana. Efa nisy ny hetsika kopia faobe natao tao amin’ny Akamasoa, tamin’ny fanombohana ny Iray volan’ny ankizy, ny volana […]
Razafindrakoto: « Vonona hirotsaka hofidina ny olona manana fahasembanana »
Mitafa momba ny firotsahan’ny olona manana fahasembanana amin’ny fiainana politika Razafindrakoto Falihery, tomponandraikitra amin’ny fanentanana sy fanabeazana momba ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana anatin’ny tetikasa Safidy Maharitra. Gazety Taratra (*): Inona no antony tsy mamparisika ny olona manana fahasembanana mandray anjara amin’ny fifidianana eto amintsika? Razafindrakoto (-): Misy antony […]
Airtel Africa: Tafakatra 155,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa
Namoaka ny tatitry ny zava-bitany nandritra ny telovolana farany, nikatona ny 30 jona 2024, ny orinasa Airtel Africa. Tamin’ny ankapobeny, nahomby ny asa vita, na teo aza ny fahasarotan’ny toekarena maneran-tany. Niakatra 8,6% ny isan’ny mpanjifa rehetra aty Afrika, manome 155,4 tapitrisa. Nitombo 13,4 % ny mpampiasa ny tolotry ny […]
“Fier-Mada andiany faha-25”: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny famokarana
Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra rehetra eo amin’ny lalam-pihariana fambolena sy fiompiana ary ny famokarana avy amin’ny faritra manerana ny Nosy ny hetsika “Foire internationale de l’economie rurale de Madagascar” (Fier-Mada), andiany faha-25, atao eny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka. Hotontosaina ny 7 ka hatramin’ny 11 aogositra izao ny hetsika. Samy […]




