Roa isan-taona ilay fotoan-dehibe. Efa tontosa ny voalohany, ny “Manala azy vita bacc”. Ho avy kosa ny “Manala azy Tanora zokiny”, ho famaliana ny fangatahan’ny mpankafy maro. 33 taona ny nisian’ny “Manala azy vita bacc” an’ny Olombelo Ricky. Izy no namorona ny hetsika sy ny anarana, na dia maro mpampiasa […]
Taratra
Seha-pihariana: mirona amin’ny fanaovana lambiky avokoa ny tantsaha
Mahasarika tantsaha maro ny fikirakirana ny ravin-jirofo hivadika ho lohamenaka amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Noho ny tsy fisian-drano eny an-tanimbary sy ny halafosan’ny vidin’ny lohamenaka ny anton’izany. Tsy afa-miala amin’ny fiharian’ny tantsaha ny jirofo sy ny mombamomba azy. Ampiasain’izy ireo avokoa hatramin’ny voany, ny raviny, ny tahony ary […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony ho amin’ny 6 novambra izao ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna, hoy ny mpiara-mitantana ny fikambanana Gasy leo, Raherimampianina Nambinina, manoloana ny fanemorana izany ho amin’ny 11 desambra. Ho avy ny orana amin’ny volana desambra, dia mety hisy indray ny fihemorana. Amin’ity taona ity ny fifidianana no tokony hatao. Sahala […]
Ramamimampionona Gérard: “Asa be no miandry ny governemanta”
“Hita ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao: fahantrana. Tsy mihinan-kanina izy: ahoana no hihinan’ny hanina? Te hiasa izy: ahoana no ahazoany miasa? Tsy afa-mitsabo tena izy: ahoana no hahazoany mitsabo tena? Te hampiana-janaka izy: ahoana no ahazoana manao izany? Tena asa be izany no miandry ny governemanta amin’izao endri-pahantrana lalina iainan’ny […]
Telo herinandro!
Fifidianana sy fananganana governemanta izao no malaza. Tsy mbola ho ato ho ato mihitsy aloha ity farany raha ny angom-baovao azo. Mbola mamita iraka any ivelany rahateo ny filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa aminy. Taorian’ny tany Paris, mbola ho any Angola sy Guinée ihany koa ny delegasiona izay tarihiny. […]




