Ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ireo firenena afrikanina ny filoham-pirenena malagasy, miaraka amin’ny delagasiona tarihiny, amin’izao. Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fitadiavana fiaraha-miasa no tanjona amin’izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Osvaldo Viera, ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, omaly tolakandro, ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Fitsidihana ara-panjakana […]
Taratra
TSELATRA
Olona efatra naratra mafy ka zazakely ny iray vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Vohidiala, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Niainga avy any Tsinjoarivo ary nikasa ho any Ambatondrazaka ity fiara ity kinanjo vaky kodiarana tampoka. Potika tanteraka ny fiara. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Ambatondrazaka ireo naratra. Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto […]
Ambositra : tovolahy 17 taona hita faty
Ny lohany sy ny akanjony sisa namantaran’ny fianakaviany ny tovolahy iray 17 taona hita faty tao Kidavy, fokontany Antoetra, kaominina Ambositra, ny alahady 28 jolay teo. Tsy hita iray volana lasa izy. Nanao filazana tamin’ny alalan’ny onjam-peo ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Ny faran’ny herinandro teo, mpandalo no nahatsikaritra […]
Famonoana an’i Allan : vehivavy iray migadra 20 taona
Niakatra fitsarana omaly, ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nihatra tamin’ilay ankizilahy 10 taona antsoina hoe Rakotozafy Alain Maherinjaka na Allan. Olona 10 indray voarohirohy tamin’izany ka samy nohenoina teo anoloan’ny fitsarana. Raha ny loharanom-baovao voaray, natao tao anaty efitrano mihidy ny fitsarana ka tsy afaka nanatrika izany ny olona hafa […]
Mahabo: Basy Kalach sy Mas 36 azon’ny zandary
Basy Kalach iray miaraka amin’ny bala roa sy Mass 36 iray no azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny alahady alina teo. Basy nampiasain’ireo dahalo nampitondra faisana ny kaominina Beronono, Ambia, Ankilizato hatrany Mahabo izy ireo. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary no nahatrarana ny dahalo iray nitazona izany tao Anjivabe, […]




