Taratra

Fotoan’ny fialantsasatra : tsirihina manokana ireo fiara handeha lavitra

Fotoan’ny zaikabe sy fivahinianana masina izao. Eo indrindra koa ny fotoam-pialantsasatra sy ny fandehanana manao famadihana. Misarika ny sain’ny rehetra ny tomponandraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia mba samy hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ary ny lamina hiarahana amin’ny sampandraharaha samihafa. Tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika manokana avokoa ireo […]

Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana, omaly

Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina tsy diso ny fanadinam-panjakana bakalorea, omaly. Nizotra am-pilaminana, araka izany, ny fiatrehan’ireo mpiadina izany. Nanomboka omaly ny fanadinam-panjakana bakalorea manerana an’i Madagasikara. Mahatra­tra 218 359 ireo mpiadina miatrika izany. Mitsinjara amin’ny foibem-pampianarana 413 sy efitrano fanalana fanadinana miisa 6 410. Nisantatra ny taranja […]

Antsohihy: hamokatra tantely 12 taonina isan-taona

Mitohy ny fampiroboroboana ny taninketsa indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa « One District One Factory » (Odof). Nisitraka izany, ny alahady teo, ny distrikan’An­tsohihy. Hanodina tantely 100 litatra isan’ora sy hamokatra hatrany amin’ny 12 taonina isan-taona ny milina ao an-toerana. Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra ny fahazoana ny ozinina. […]

Filana andavanandro: tafakatra 900 Ar ny vidin’atody eny amin’ny mpaninjara

Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Ana­lamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina […]

Soavinandriana: Karatany 3 072 sy titra 200 voazara

Natao ny zoma teo ny fizarana karatany sy titra faobe ao amin’ny faritra Itasy, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière, (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Miisa 3 072 ireo karatany […]