Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]
Taratra
Ambohitrimanjaka: lehilahy iray maty an-drano
Latsaka an-drano tao ambany tetezan’Ambohitrimanjaka ny lehilahy iray, omaly maraina. Olona teny an-toerana no nahita azy nianjera tao ambany tetezana ka nampiantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga nanao ny asam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fikarohana ilay niharam-boina ny mpamonjy voina. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana […]
FANTINA sy FINTINA
Nanana soatoavina mifototra amin’ny rariny sy ny fanajana ny zon’olombelona i Nelson Mandela, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ahatsiarovana an’io mpitolona tao Afrika Atsimo io. “Nanandratra ny fitoviana sy ny maha olona izy ka tokony ho lesona ho antsika izany”, hoy izy. […]
Filohan’ny Antenimierampirenena : “Nisy ny dingana natao momba ny zom-pirenena”
Nandray vahiny maromaro ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’izany ireo eo anivon’ny kaomisaria ambony eo anivon’ny Firenena mikambana misahana ny mpifindra monina. Nitsidika ny filoha vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, ireo mpikambana ao amin’ny “Haut Commissariat des Nations-Unies pour les Réfugiés – HCR”. Delegasionina […]
Ho ampitain-davitra
Samy miandry izay olona ho voatendry handrafitra ny governemanta vaovao ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Izay sisa dia feno ny ekipa hikatroka ny ampaham-potoana faharoa, niakaran’ny filohan’ny Repoblika ny kianja, nitondrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Efa naneno ny kiririoka fanairana fa mbola andrasana ny fanombohan’ny lalao. Mbola hamita iraka any […]




