Taratra

Minisitry ny Fitsarana : “Efa nihena ny tahan’ny trangana fanolanana”

Nanao tatitra momba ny trangana fanolanana ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, omaly, tetsy Analakely. Nateriny fa nitombina ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hisorohana izany. «Raha tamin’ny volana janoary, 116 ny tahan’ny trangana fanolanana manerana an’i Madagasikara. Tamin’ny volana jona, nidina ho 54 izany». Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, […]

Lehilahy natao takalonaina : mitaky 8 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny

Lehilahy 31 taona anisan’ny kartie mobile indray no lasan’ny dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, omaly. Mitaky vola an-tapitrisany ireo mpaka an-keriny. Mitaky vola valo tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo olon-dratsy naka an-keriny lehilahy iray 31 taona tao amin’ny tanànan’Ankidondona, fokontany Andranonkotona, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Niton­dra olona teny anivon’ny biraon’ ny […]

Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”

Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 Na­tional». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo ekipa vahiny ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball nanatrika ny fiadiana ny CCCOI, natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay lasa teo. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra, ny tsy fahasalamany no antony tsy nanatrehany izany. Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy […]

Barea de Madagascar: mpilalao 9 tsy manana klioba

Efa saika tapitra avokoa ny fifanarahan’ireo mpilalaon’ny Barea amin’ny klioba nisy azy any Eoropa any, amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroany, tsy nanaiky ny hanavaozana ny hitohizany tao amin’ireo ekipany teo aloha ny tomponandraikitra. Fantatra àry fa miisa 9 ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana ankehitriny. Anisan’ireny i Sonny Laiton, mpiandry […]