Nahazo fandresena avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny «Davis Cup »,taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 0 i Lesotho. Tsara fanombohana ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny «Davis Cup», taranja […]
Taratra
Star – Kaonsilin’i Monaco : notolorana fitafy mafana ny zokiolona marefo
Mitohy ny asa sosialy amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) ataon’ny Star. Anisan’ izany ny fitsinjovana ny zokiolona sy ny ankizy any amin’ny tokantrano sahirana. Nosafidiana manokana ny zokiolona marefo ho an’ity taona ity, niarahana tamin’ny Kaonsilan’i Monaco. Miisa 100 ny zokiolona any amin’ny fokontany 10, eto Antananarivo, notolorana lamba firakotra […]
Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra : mampahatsiahy ny fepetra eny an-dalana ny ATT
Manao fampahatsiahivana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) momba ireo fitsipika volamena 13 hisorohana ny lozam-pifamoivoizana izay navoakan’ny federasiona iraisam-pirenena momba ny fiara. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tanteraka isika amin’izao fotoana. Maro ireo olona izay handeha hiala sasatra hivoaka ny tanàna izay tsy mahazatra azy. Hamafisina ny fahamailoana rehetra sy […]
INDRAY MIJERY
Ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA dia nohatevenina ny fitaovana. Nisitraka seza misy kodiarana ny sampandraharaha miandraikitra ny fitsaboana ireo zaza mararin’ny homamiadana ao an-toerana. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fampiofanana omena ireo mpanentana eny ambony tambajotra sosialy ataon’ny fandaharanasa Impact, izay tanterahin’ny PSI […]
Fiomanana amin’ny bakalorea : mpianatra 28 voafitaky ny sekoliny
Nisy efa nihevitra ny hamono tena mihitsy amin’ireo mpianatra 28 mianadahy, amin’ny sekoly iray tsy miankina ao Toamasina, voafitaky ny mpampianatra nisahana azy ireo. Tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina hatramin’ny zoma 12 jolay lasa teo ka samy gaga izy ireo sy ny ray aman-dreniny. Nandritra ny fotoana […]




