Noraisim-potsiny ! Naiditra am-ponja, afakomaly, eny Antanimora ireo olona efatra mianadahy voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (roro) rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Nanao bemidina tampoka teny amin’ ny fokontany IVO Isotry ny polisin’ny CUI1 sy ny Sut, rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo zava-mahadomelina mahery vaika miparitaka eny […]
Taratra
Tsy hita tapa-bolana : fatin-dehilahy notarihin’ny alika
Hitan’ny fokonolona notarihin’ny alika ny fatin’olona iray tao anatin’ny fokontany Mamoladahy- Amparihy, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly tolakandro. Karan-doha sy taolan-dava niampy fofona no nanaitra ny manodidina nahita io zava-nisy io. Nanamarina ny fitafiana sy ny pitsopitsony hita teo amin’ny manodidina ny mponina ka voamarina ny momba io maty io. Tsy hita […]
Lasan’ny dahalo ny omby iray vala: raim-pianakaviana maty voatifitra
Lavon’ny bala ny raim-pianakaviana iray. Noraofin’ny dahalo ny omby tao am-bala tao amin’ny fokontany iray anatin’ny kaominina Maintirano, afakomaly alina. Miakatra an-tanàna ny dahalo ao amin’ny fokontany Tanambao SPM, Kaominina an-dRenivohitr’i Maintirano, ny alin’ny alatsinainy 15 jolay teo. Niara-nisakafo hariva tamin’ny vadiny ny raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana tamin’io hariva […]
Fitomboan’ny mponina : ilaina ny fandrindram-piterahana
Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindram-piterahana. Olana rahateo ny fahabetsahan’ny mponina ka antony nahatonga ny teo anivon’ny fitondram-panjakana nametraka politika mazava momba ny fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny fiarahamonim-pirenena sady sefo fokontany Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa miteraka fahantrana lalina ny fitomboan’ny mponina diso tafahoatra amin’izao fotoana […]
Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hosorohina ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha ny fotoana
Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo. Nambaran’ny minisitra mpisolo toerana, Ravokatra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa […]




