Taratra

Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte

Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]

«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argen­tine ny amboara

Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]

Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus

Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]

INDRAY MIJERY

Mpianatra 14 tamin’ireo 16 niatrika ny fanadinana BEPC no afa-panadinana tamin’ity taona ity tao amin’ny Akanin’ny marenina (Akama) 67Ha. 100% kosa ny fahafahana CEPE tao an-toerana. 5 kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ny herinandro. Ankoatra ireo mpianatra manana olana amin’ny fandrenesana, mandray mpianatra mandre koa ny akany. Nanao […]

Famarinana olona : mbola anisan’ny arahi-maso i Madagasikara

Namoaka tatitra momba ny famarinana olona ny departemantam-panjakana amerikanina tamin’ity taona 2024 ity. Tsy nisongadina ny ezaka fa mbola mijanona ao anatin’ny sokajin’ireo firenena arahi-maso na “Tier 2 Wat­chlist” izay efa nisy azy tato anatin’ny roa taona i Mada­gasikara. Ny sampandraharaham-panjakana amerikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny famarinana […]