Notanterahina tetsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny faran’ny herinandro teo, ny “Salon d’orientation professionnelle pour les germanophones”. Hetsika nokarakarain’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM). Tanjona ny hanampiana sy hanomezana torohevitra ireo ankizy sy tanora malagasy maniry hiasa sy hanohy fianarana any Allemagne. Mahakasika ny dingana rehetra atao amin’ny fianarana ny fiteny allemand […]
Taratra
Bakalorea 2024: 17 041 ny mpiadina tsy miankina amin’ny sekoly
Herinandro mialoha ny fanadinana bakalorea, mbola misy sekoly manome fizarana samihafa hatramin’ny zoma izao hanamasahana ny fahalalana. 218 359 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2024, araka ny fampitaom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. 207 097 ny mpiadina amin’ny sokajy fampianarana ankapobeny, raha 11 262 ny sampana teknika […]
Fandraharahana: Liana amin’ny tetikasa Odof ny mpianatra
Hivondrona sy hanangana orinasa ho azy ireo manokana ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée téchinique profesionnel Moramanga taorian’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny herinandro teo. Nampirisika sy nanohana azy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny minisitra dieny mbola any an-tsekoly. Orinasa azo […]
Fahatongavan’ny Emirates Airlines: natsangana ny komity manokana
Ao anatin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny kaompania Emirates Airlines eto Madagasikara. Natsangana ny komity manokana hisahana ny fanomanana samihafa izay eo ambany fiadidian’ny Repoblika. Handrindra izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hampitombo ny sidina iraisam-pirenena eto Madagasikara sy hampahafantatra ny firenena any ivelany ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry […]
Forum Agoa: Tombony ho an’ny toekarena malagasy
Handray anjara amin’ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’i Etazonia sy ireo firenena afrikanina atsimon’i Sahara (Forum Agoa) any Washington DC, ny 24 -26 jolay, izao i Madagasikara. Hitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. « Mihoatra ny taona 2025, fanavaozana ny […]




