Nampandre ny mpanjifany ny Jirama fa tara ny fahatongavan’ny sambo mitondra solika mavesatra avy any ivelany. Voatery mitsitsy ny tahiry eo am-pelatanana ny orinasa, hampihodinana ny milina mamokatra herinaratra. Nisy ny fanapahana ny famatsiana mandritra ny adiny roa, omaly. Vita omaly, ny famindram-pitantanana eo amin’ny tomponandraikitra voalohan’ny Tsenambarom-panjakana avy amin’ny […]
Taratra
Impulse 2024 : paikadin’ny MNP mandritra ny 5 taona
Nampahafantarina omaly, ny Paikadin’ny Madagascar National Parks (MNP) ato anatin’ny dimy taona ho avy (2024-2028). Antsoina hoe Impulse 2024, fiarahantsika ho an’ny valan-javaboahary ity paikady ity. Miahy ny MNP ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Efa fanao isan-taona, nanomboka ny taona 2019 ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka […]
Fitantanam-bola : hiara-hiasa ny BNI sy ny Mvola
Mitohy hatrany ny tolotra omen’ny BNI Madagascar ho fahafaham-po ny mpanjifany. Ankehitriny, miara-miasa amin’ ny Mvola izy amin’ny alalan’ny tolotra #699# izay ahafahan’ny mpanjifa tsy ankanavaka manara-maso ny toe-bolany eny anivon’ny banky. Tsotra, mora, tsy mila internet ary tsy mifidy finday ny fidirana amin’izany. Mila mampifandray ny kaonty BNI Madagascar […]
Data Warehouse : fitahirizana niomerika ny antontam-baovaon’ny ladoany
Mampiasa fitaovana niomerika vaovao ny ladoany malagasy. Hitahirizana ny antontam-baovao maharitra ny Data Warehouse. Mampitombo ny fitaovana ampiasainy ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy. Hanangonana amin’ny fomba niomerika ny antontam-baovao rehetra kirakiraina ny Data Warehouse. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana azy. Ahafahana mitahiry maharitra ny antontam-baovao, ampitahana ny karazana antontam-baovao samihafa, […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina nanomboka ny alakamisy teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampiofanana ireo ankizy, vavy sy lahy, taranja karaté. Tanjon’ny Federasiona malagasin’ny Karate Do ny hampivoatra ireo zaza ireo amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa haharitra efatr’andro ny fiofanana. Afaka andro vitsy, hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja Handball, […]




