Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandratrana ilay tovovavy 21 taona hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Amboniandrefana Wagon, kaomininina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Fiara iray nifatratra tamin’ny sisin-dalana ka potika tanteraka teny Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nandeha mafy io fiara io ka tra-doza. Tsy nisy aina […]
Taratra
Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza
Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono tamin’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary […]
Niala lalana : kamiaobe iray nilatsaka tany anaty hantsana
Kamiaobe iray no niala lalana ny vodiny ka nitondra azy amin’ny ankavanan-dalana tany anaty hantsana tao Ankadilalana, fokontany Andranomaitso, kaominina ambanivohitr’Antaretra, distrikan’Ifanadiana, RN 25 Pk 83+500, afakomaly. Kamiaobe nitondra goudron hanatanterahina ny tetikasam-panjakana avy aty Antananarivo ho any Vangaindrano ity niharan-doza ity. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’io loza io ny […]
Fanondranana biby arovana: Sinoa ny roa naiditra am-ponja
Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny teratany sinoa tompon’antoka amin’ny famantsiam-bola ireo mpangalatra antsokosoko ny biby arovana ao amin’ny faritra Atsimo. Malagasy telo niara-notazomina am-ponja aminy. Sinoa roa sy Malagasy telo niara-naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny fisamborana azy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny firongatry ny halatra sy fahatrarana […]
Kolontsaina sy fanabeazana: miverina sy mivelatra ny Zanabaliha
Anisan’ireo foibe fikarohana sy fanabeazana ary fampianarana momba ny kolontsaina malagasy, ela niorenana ny Zanabaliha. Nisy fotoana niova endrika izy io. Ankehitriny, miverina amin’ny nahalalana azy ary mivelatra amin’ny lafiny hafa… Tany amin’ny taona 1980 no efa nanomboka ny dinika hoenti-mamerina indray ny Malagasy hiaina ny kolontsainy. Nifanindran-dalana tamin’izany, efa […]




